<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ny lanitra sokafinao,
 Midìna, ry Mahery !
 Ampisehoy ny sandrinao,
 Ry Tompo manan-kery !
 He! manakora izao
 Ny fahavalonao,
 Ka maro no mandà
 Ny afo masina
 Narehitrao, ry Jeso.

[V2]
 O, ry Mpitia olona,
 Mpanjaka voahombo !
 Ny teninao dia velona,
 Mahery sy mitombo ;
 Ampahafantaronao
 Izao tontolo izao,
 Fa tsy mba foana
 Ny ranao masina
 Nalatsakao fahiny.

[V3]
 Mba ampiraiso hina re
 Ny olom-boafidy,
 Ka akambano mafy e,
 Fa lova sarobidy,
 Ny fitiavana
 Madio sy marina
 No aoka hanavao
 Ny fiangonanao,
 Handraisanao ny dera.

[V4]
 Ny Nosinay, ny tranonay,
 Ny vava aman-tsainay,
 Dia samy mba havaozinao,
 Ry fototry ny ainay !
 Ampiononinao
 Ny manina Anao !
 Avia, ka mamonje,
 Avia, mampandrese
 Ny olonao mahantra.</lyrics>
<title>Ny lanitra sokafinao FFPM187</title>
<hymn_number>187</hymn_number>
<author>Martin Luther</author>
</song>